Mailaka @serasera.org
Ny seraresa imailaka dia tolotra adiresy imailaka @namana.serasera.org na @serasera.org
Hamaky imailaka http://mailaka.namana.serasera.org
Ny Tolotra imailaka
- Ny tolotra imailaka dia avy amin'ny google.com (gmail.com) ho an'ny serasera.org.
- Rehefa mameno ny fangatahana araka ny voalaza etsy ambany ianao dia hanana adiresy solonanarana@serasera.org sy solonanarana@namana.serasera.org (boaty iray ihany) izay azonao jerena amin'ny http://mailaka.namana.serasera.org na koa amin'ny fitaovana famakiana email toa ny Outlook express sy ny Eudora sns... (Jereo eto ny fanoroana momba izay)
- Ny haben'ny toerana ao amin'ny adiresy imailaka dia 7Go
- 24 ora aorian'ny fangatahana raha be indrindra dia mandeha ny adiresinao.
Ny fepetra ilaina ekena
- Adiresy 500 ihany amin'izao fotoana izao no azo omena. Raha toa ka feno io 500 io dia mijanona ny tolotra.
- Mpikambana ato amin'ny serasera nandritra ny efa-bolana (4 mois) farafahakeliny. Jereo eto hahitanao hoe oviana ianao no nisoratra anarana.
- Eto ambany eto amin'ity takelaka ity ihany no ahafahanao mangataka ny hanana adiresy solonanarana@namana.serasera.org. Ny fangatahana hafa @ imailaka sns dia tsy horaisina.
- Ilaina ny anarana sy fanampiny rehefa manao ny fangatahana.
- Raha vao miala tsy ao anaty namana.serasera.org intsony ianao dia voafafa ny adiresy imailaka @namana.serasera.org
- Raha manova tenimiafina eto amin'ny serasera ianao dia tsy miova ny tenimiafina ao amin'ny adiresy imailaka. Raha nanova tenimiafina ianao ka tianao hitovy amin'ny tenimiafina fampiasanao eto amin'ny serasera ny tenimiafina ao amin'ny imailaka dia mila milaza aty aminay.
- Ny google (gmail.com) no tompon'andraikitra amin'ny tolotra imailaka ka tsy tompon'andraikitra amin'izay mety ho fahaverezan'ny hafatra ny serasera.org
Toerana famakiana imailaka
http://mailaka.namana.serasera.org